PEJY FACEBOOK

Departemanta sy Taranja ato @ akademia

Ny Akademia Nasionaly momba ny Zavakanto sy Kolontsaina (ANAC) dia mandrindra ny fampianarana sy ny fikarakarana zavakanto amin’ny alalan’ny departemanta lehibe maromaro, izay samy mitondra sehatra manokana ho an’ny mpianatra sy ny mpamorona.

1. Departemantan’ny Seho an-tsehatra (Arts du spectacle vivant)

Ity departemanta ity no ivondronan’ireo taranja zavakanto nentim-paharazana sy velona ao amin’ny ANAC. Ahitana fiofanana amin’ny mozika, dihy tandrefana sy nentim-paharazana, ary ireo karazana seho an-tsehatra isan-karazany, izay mampivelatra ny fahaiza-mamorona sy ny fahaiza-misehatra mivantana.

3. Departemantan’ny Fivelomana sy ny Fampandrosoana (Industries culturelles et créatives)

Mba hahafahan’ny zavakanto mivelatra ho loharanom-pivelomana, ity departemanta ity dia manofana amin’ny sehatra ara-barotra sy arak’asa mifandraika amin’ny kolontsaina. Ao anatin’izany ny fitantanana vakoka, ny orinasa ara-kolontsaina, ny fitantanana toerana fampisehoana sy fampirantiana, ny marketing digital, ary ny asa toy ny tour operator.

2. Departemantan’ny Sary sy ny Famoronana (Arts visuels)

Ity kosa dia mifantoka amin’ny zavakanto hita maso sy ny famoronana ara-kendrika. Tafiditra ao anatin’izany ny hosodoko, ny haisokitra, ny sary (photographie), ny sarimihetsika, ary ny mari-trano (architecture).
Ankoatra izany, manaraka ny fivoaran’ny vanimpotoana ihany koa ny ANAC amin’ny alalan’ny taranja mifandraika amin’ny zavakanto nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra.

4. Departemantan’ny Vakoka sy ny Kolontsaina

Manan-danja lehibe amin’ny fitahirizana sy fampiroboroboana ny maha-izy azy ny firenena ity sehatra ity. Misy ny fandrindrana ny kolontsaina ifotony avy amin’ny faritra 23 manerana an’i Madagasikara, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo tranoben’ny kolontsaina isam-paritra, mba hiarovana, hampitana ary hampivelatra ny vakoka nentim-paharazana.