Tantarain’i Zokibe RAMORASATA Jean Olivier
Ny Lovantsofina dia andiana fitantarana manan-danja sy mitondra ny maha-izy azy an’ny ANAC. Vokatry ny fikarohana lalina nataon’ny Akademia, ity sombintantara ity dia mizara ny niandohana sy ny fivoaran’ny mozika malagasy hatramin’ny voalohany.
Tanjon’ny Lovantsofina ny hampitana sy hitahirizana ny vakoka ara-kolontsaina, amin’ny alalan’ny fizarana fahalalana miaraka amin’ireo mpampianatra zokiny sy manam-pahaizana manokana amin’ny tantara, mba hahafahan’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy mandray sy manohy izany lova sarobidy izany.